Chapter 13 : Verse 6
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.